Toekarena

Taorian’ny ampamoaka goavana Nandamin-dresaka ny Minisitry ny vola


  • Talata 31 Aogositra 2021

Nanome toky ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa hisokatra sy hanohy ny dinika fanatsarana sy fandaminana anatiny, hoy ny vaovao nivoaka omaly.

Eo am-piandrasana ny fanendrena izay ho Tale jeneraly vaovao ny Tahirimbolam-panjakana, toerana izay banga nanomboka ny alarobia 18 aogositra 2021 ka nampikatso tanteraka ny fikirakiram-bolam-panjakana, ankoatra ny fandoavan-karama. Nihaona tamin-dramatoa Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, ireo lafin-kery rehetra teo anivon'ny Tahirimbolam-panjakana omaly ka voalaza fa ho fanatsarana ny Tahirimbolam-panjakana no antony, ary nambara ihany koa fa samy nahatsapa ny andaniny sy ankilany fa mila arenina ny Tahirimbolam-panjakana. Anisan’ny noresahana tao ny fanovana ireo lalàna mifehy ny mpitahiry ny volam-panjakana, izay efa nambaran-dRamatoa Minisitra tamin'ny nandraisany toerana fa ho tafiditra anaty laharam-pahamehany. Nanome toky Ramatoa Minisitra fa hisokatra sy hanohy ny dinika fanatsarana, fanovana sy fandaminana anatiny. Noraisin-dRamatoa Minisitra ihany koa ireo SMMV, fivondronan'ny Sendika rehetra eo anivon'ny Ministeran'ny Toekarena sy Fitantanam-bola. Nanamafy ny maha-zavadehibe ny fifampiresahana anaty fiaraha-monina sy eo amin'ny samy mpiara-miasa ireto fivondronan'ny Sendika ireto, izay tsy nametrahan-dRamatoa Minisitra olana fa vonona izy hihaino sy hifandinika, hoy hatrany ny vaovao. Tsara ny manamarika, fa ny herinandro teo, nirarakopana ny ampamoaka momba io Minisitra io, toy ny hoe : ny vadiny izay efa lasa niasa any amin’ny CNaPS mbola nisitraka karama be tao amin’ny tahirimbolam-panjakana, ny olona efa nalefany hiasa any amin’ny Banky iraisam-pirenena mbola tsy notapahana ny karamany,… Tsy nisy ny fandisoana ofisialy an’ireny hatreto. Ny re kosa dia voalaza fa notapahina ny ROHI na ny « Application de gestion du personnel » eo anivon'ny ministera ; izay ahitana ny mombamomba ny mpiasa tsirairay avy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT