Hiakatra 13% ny karaman’ny mpiasam-panjakana manomboka amin’ity taona vaovao ity. Azo ekena raha mitaha amin’ny vidim-piainana izay misondrotra isan’andro.
Ambony hatrany ny tahan’ny sondro-bidim-piainana nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny faran’ny taona 2019. Nanambara mihitsy aza moa ny teo anivon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) nandritra ny famelabelarana ny fandaharan’asa FEC (Facilité Elargie de Crédit) andiany faha-6 fa tokony ho voatazona ho 6% izany. Miseho tsikelikely sy miandalana anefa amizao ny lala-mankany amin’ ny fidanganam-bidim-piainana ho mafimafy kokoa. Efa tsy lazaina intsony ny fisoko-miadan’ny fiakaran’ny entana ilaina andavanandro (PPN) izay mampikaikaika ny Malagasy. Samy manao ny saim-pantany ny mpivarotra ary tsy hita mihitsy sy tsy fantatra mazava hoe aiza ho aiza ireo sampana mazava mijery manokana ny fisondrotan’ny entam-barotra. Ireo sinoa mampanofa trano amin’ireny “centre commercial” ireny dia efa nanambara indray ny ankamaroany fa hampakatra ny hofantrano amin’ity taona vaovao ity. Ny vahaolana amin’ny JIRAMA mbola tsy antenaina fa ny mifanolosolo hatrany aloha no laharam-pahamehana. Na dia eo ary izany rehetra izany dia hita soritra ihany koa anefa ny fahasahiranana ara-bolan’ny mpitondra amin’ny lafiny famatsiam-bola avy any ivelany. Mampanontany tena ny tsirairay hoe ankoatry ny hetra izay nodradradradraina fa hanaovana ezaka be hampidiram-bola dia inona no hantenainan’ny fanjakana? Ny azo antoka mantsy dia tsy hanao zavatra tsinona amin’izao fampiakarana karama izao ny fitondrana fa tsy maintsy mitady loharanom-bola hanetsemana hatrany. Tsy azo ihodivirana ny fisondrotam-bidim-piainana ary ho latsaka hatrany ny fahefa-mividy raha tsy misy aro fanina mazava amin’ny fanapahan-kevitra tahaka izao. Ahoana ihany koa ny fijerevana ny sehatra tsy miankina?
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.