Toekarena

Taom-piotazana lodsia 4-13 novambra no fandraisana fangatahan’ny mpanangom-bokatra


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Ho avy ny lodsia na tsy mbola namoaka daty ofisialy hisokafan’ny taom-piotazana aza ireo Faritra tena mamokatra ity voankazo ity.

 

 

 Nanao fampahafantara miantefa amin’ireo mpanangombokatra sy ireo mikasa hitatitra io vokatra io ny Faritra Atsinanana dia fa ny 4 ka hatramin’ny 13 novambra ho avy izao no fandraisana fangatahana. Fotoana fohy no ahitana ny lodsia. Manondrana lodsia 17.500 taonina eo i Madagasikara isan-taona mankany Eorôpa. Efa nanafika tsena hafa ihany koa ny lodsia malagasy. Baraingo ny amin’ity taona ity manoloana ny fisian’ny valanaretina covid 19, izay manomboka mirongatra indray any Eorôpa, ka mahatonga ny firenena sasany niverina nihiboka sy nanidy ny sisintaniny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT