TAOM-PIOTAZANA LODISIA 2023

Hanondrana hatrany amin’ny 18.000 taonina isika


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Nisokatra tamim-pomba ofisialy omaly Talata 21 Novambra ny taom-piotazana letisia eto taona 2023 eto Madagasikara.

Manodidina 18. 000 taonina ny vokatra haondrantsika any ivelany mandritra izany, tarehimarika tapaka nandritra ny fivorian’ireo miantsehatra amin’ny fanondranana lodisia any an-toerana. Firenena maro no fantatra fa handray izany toy ny ao Eoropa, Dubaï, Rosia, Mayotte ....raha araka ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Atsinanana. Noferena ho 1. 300 Ar/kg kosa no hakan’ny mpandraharaha ny letisia eny amin’ireo mpanangom-bokatra mba tsy hahafaty antoka ireto farany. Efa natsangana any an-toerana moa ny “guichet unique” hahafahana manamora ny fikarakarana ny antontan-taratasy ho an’ny fandraharahana ny vokatra ao amin’ny faritra Atsinanana. Sambo miisa 2 araka izany no fantatra fa efa tonga ao Toamasina miandry sy hitondra ireo lodisia ireo hamonnjena ny tsenan'ny krisimasy any ivelany. Tsiahivina moa fa mahatratra 1.472 fototra ireo hazo mpamokatra lodisia any amin’ny faritra Atsinanana ka ao Brickaville no maro an’isa indrindra satria dia mahatratra 678 fototra izany. Tsy misy ahiana ihany koa ny momba ireo mpiasa miantsehatra amin’ny lodisia any an-toerana, taorian’ny nandalovan’ny sampandraharana iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT tany an-toerana nitafa tamin’ireo tompon’andraikitra. Tsara ny lodisia amin’ny ankapobeny saingy mbola madinika sy maitso kosa ireo hita sy tonga hamidy eto Antananarivo.


Efa ao Toamasina nanomboka ny alatsinainy 20 novambra 2023 teo ny Sambo BALTIC KLIPPER izay hanondrana ny lodisia an’aliny taoniny avy eto Madagasikara.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT