Nivoaka ny zoma 13 oktobra teo ny didim-pitondram-paritra laharana 014/2017/Res-Ats, mikasika ny taom-piotazana jirofo ho an’ny faritra Atsinanana amin’ny taona 2017 – 2018.
Araka io didim-pitondrana io dia anio alatsinainy 16 oktobra tamin’ny 6ora maraina ny fisokafany, ho an’ireo mpanangom-bokatra ara-dalàna ara-ketra sy ireo mpandraharaha ara-dalàna ara-taratasy ihany koa. Manomboka misy anefa ny ahiahy ho an’ireo mpandraharaha noho ny aretina pesta ao Toamasina. An’arivony taonina isan-taona mantsy ny vokatra miakatra ho an’ny faritra Atsinanana, izay anisan’ny mampidi-bola ny faritra ihany koa amin’ny tamberim-bidy sy hetra samy hafa. Tamin’ny fotoan’ny valanaretina kolera ny taona 2000 mantsy dia nanana olana tamin’ny fanondranana jirofo ireo mpandraharaha, izay niteraka fatiantoka goavana ho an’ireo mpanangom-bokatra, ny tantsaha ary ny volam-panjakana. Manahy izay koa izy ireo amin’izao pesta izao, izay hiantsoan’izy ireo ny fanjakana handray ny fepetra rehetra amin’ny fanomezam-baovao marina ireo vahiny mpividy ny vokatra, mba tsy hiteraka fatiantoka an-jatony miliara ariary amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny sakana mety hitranga.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.