Toekarena

Taom-piotazana 2019 Nitotongana ny vidin’ny lodsia


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Tsara ny vokatra lodsia tamin’ity taona 2019 ity, araka ny tatitry ny Fikambanana Tambatra tetsy amin’ny Tobim-piantsonana Gare Makis tetsy Andohatapenaka.

 

 

 

 Olana kosa anefa ny fitontongam-bidin’ny vokatra izay mampikaikaika ny tantsaha. Nanambara ireo Vondrona tanora  ao anatin’io fikambanana io fa mamono tanteraka ny tantsaha ny ataon’ireo mpanera izay maka lodsia amin’ny vidiny tena ambany ary mivarotra izany amin’ny vidiny midangana. 700 hatramin’ny 1000 Ariary no fangalan’ireo mpanera ireo ny vokatra eny am-potony ary amidin’izy ireo 1500 Ar izany farafahakeliny. Amin’izao fotoana izao dia lafon’izy ireo amin’ny mpanondrana 2000 Ar mihitsy satria efa manomboka tsy misy ny vokatra, hoy ny nambaran’ny filohan’ny Fikambanana Tambatra, Andriamanangana Aldo. Soa fa misy hoy izy ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Varotra ary ny Fitaterana amin’izao fotoana izao mba hahazoan’ny mpamboly sy ny mpanamboatra garaba ary ireo mpisehatra amin’ny famokarana lodsia eny am-potony mba mba mahazo tombony kely amin’izao fotoana izao. Misy rahateo ny fandaharan’asa Formaprod izay nanofana ireo tanora mpikambana mahatratra 300 ao amin’ny Fikambanana Tambatra mba ho tohana sy hiteraka famoronan’asa maharitra ho azy ireo. Omaly no nampiseho ireo vokatra lodsia teny Andohatapenaka ireto tanora avy any amin’ny faritra Atsinanana ireto izay tonga nivarotra ny vokatra ho 3500Ariary ny 2 kilao. Aorian’ny vokatra lodsia moa dia hiditra amin’ny Ankondrolahy indray ireto tanora mpamboly ireto.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT