Toekarena

Taom-baovao iraisan’ny Malagasy rehetra Nankalazaina teny Ambohimanga, omaly


  • Zoma 22 Septambra 2017

Nankalazaina nanomboka omaly alakamisy 21 septambra teny Ambohimanga ny taom-baovao iraisan’ny foko 18, karakarain’ny Komity Mpikarakara ny taona vaovao iraisan’ny Malagasy eto Madagasikara sy ny komity MAMAFI na Malagasy Mampiray Firenena.

Raiamandreny marobe  isam-paritra, notronin’ireo olobe ao amin’ny tranoben’Imerina Ambohimanga no tonga nandray anjara tamin’izany, lanonana hitohy amin’ny fitokanana ny tsangam-baton’ny firaisam-pirenena anio zoma, ho mariky ny   firaisam-pirenena sy ny taom-baovao tokana ho an’ny Malagasy rehetra.  Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny mpikarakara tamin’izany fa tsy manafoana ny taom-baovao fanaon’ny isam-poko akory ny hetsika tahaka izao fa natao hampitambatra ny Malagasy rehetra kosa. Ny volana septambra tahaka izao ihany koa no hanaovana izany, hoy hatrany izy ireo satria fotoana mampitsiry ny ahitra izao. Hofaranana amin’ny alim-pandihizana etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely  moa ny lanonana  anio hariva sady hanehoana ireo karazana kolontsaina mampiavaka ny foko 18 ihany koa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT