Toekarena

Tantsoroka ho an’ny sehatry ny fizahantany Raikitra ny “Tetika Miatrika” sitrahan’ny olona 5000


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly 12 janoary 2021, ny fandaharan'asa

 

 

 

 

« Miatrika covid », izay natao ho an’ireo mpisehatra ao anatin’ny fizahantany. Fiaraha-miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena, entina hanomanana sahady ireo mpisehatra amin’ny fiatrehana ny aorian’ny Covid-19, araka ny tatitry ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Fizahantany, ary ny famantarana ny toetr’andro. Ny CTM (Confédération du Tourisme de Madagascar) no misahana mivantana ny fanatanterahina ity tetikasa Amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo mpiasa no hanataterahina izany, mba hahafahana mitazona ireo asa fototra any anivon’ireo orinasa momba ny fizahantany sy hamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Maherin’ny 250 ireo fiofanana hotanterahina eto amin’ny faritra « Grand Tana », izay hahavoakasika mivantana mpiasa manodidina ny 5 000. Hiompana amin’ny resaka fianarana teny vahiny, ireo asa fototra, ny informatika ary ny asa tena, ny fiofanana izay hanomboka amin’ny faran’ny volana janoary ho avy izao ary hitohy mandritra ny herintaona. Ireo mpiasa mivantana avy amin’ireo orinasa misehatra amin’ny fizahantany sy ireo mpiasa tena mpikambana amin’ireo vondrona matihanina na tsia toy ny mpiseradia, no kendrena hahazo fampiofanana. Ho an’ireo izay te handray anjara amin’ity tetik’asa ity, dia manasa azy ireo hanantona ireo rafitra na orinasa mijoro ara-dalàna, miasa amin’ny sehatry ny fizahantany. Azo jerena amin’ny tranokala www.miatrika.mg ny andinindininy mahakasika ny fisoratana anarana, hoy ny fanentanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT