Toekarena

Tanoran’ny JSSI Hanome tolotra maimaimpoana ho an’ny mpandraharaha


  • Talata 07 Desambra 2021

Tanora lahy sy vavy 15 mianadahy mivondrona ao amin’ny “Joyce Service et Solution Informatique”

 na JSSI no fantatra fa hanome tolotra maimaim-poana ho an’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany eto amintsika amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Hanomboka amin’ny alatsinainy 13 desambra ho avy izao izany haharitra herinandro raha hanomboka rahampitso Alarobia 08 Desambra kosa ny fandraisana ny kaomandy. Manamboatra carte de visite, manangana cite web, manamboatra logo amin’ny endriny maro samihafa no hataon’izy ireo amin’izany saingy tsy miantoka ireo kojakoja ilaina toy ny taratasy…. kosa izy ireo. Tanjona amin’izany raha araka ny fanazavan’i Miandrisoa Manantena Manager eo anivon’ny JSSI ny mba hahafahana manolo-tanana ireo mpandraharaha tsirairay avy madinika sy salantsasalany hanatsarana sy hanarenana ny lafiny ara-toekarena eto amintsika. Tsiahivina moa fa vondrona iray eo anivon’ny oniversite ambony ESC ESPIC etsy amin’ny 67 ha ny JSSI miaraka amin’ny ISDE.

Pati
Legende : Santionany amin’ireo tanora mpikambana eo anivon’ny JSSI
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT