Toekarena

Tanora sy ny fandraharahana Tena ilaina ny fisian’ny Banky


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Miainga amin’ny tanora ny fampandrosoana ny firenena ary maro amin’izy ireny no manana tetikasa saingy olana hatrany ny fahazoana famatsiam-bola.

 

 

Hatreto, tsy misy ny Banky eto amin’ny distrikan’Ambohidratrimo hoy Randriamahandry Henintsoa Nirina, kandida tanora tsy miankina nametraka ny dosieny hilatsahan-kofidiana tetsy amin’ny OVEC Ambohidratrimo. Maro manampahaizana  eny  ary tsy vitsy ny  liam-pivoarana saingy tsy afa-manoatra noho ny tsy fisian’ny asa. Betsaka mihitsy ireo tanora nahavita  fianarana sy manana tetikasa maro saingy olana ny famatsiam-bola ary na ny Banky aza tsy misy. Ankoatr’izay koa anefa dia mila vola ireo tantsaha maro an’isa amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny  amin’ny lafiny ara-pitaovana sy ny famoaham-bokatra ka tsy mila jerena manokana, hoy hatrany izy. Hampiroboroboana ny fampananana asa sy ny fandraisana andraikitra ataon’ny tanora sy ny tantsaha ny fisian’ny Banky ary  ilaina sy ny manamora ny fotodrafitrasa tokony hatao any. Ireo tanora manampahaizana mandray andraikitra sy mpamboly matihanina izay maro an’isa ao Ambohidratrimo no tena ilaina atosika hoy hatrany ity kandida tsy miankina ity

Tsirinasolo

Kandida ben’ny tanàna tsy miankina eny Ambohidratrimo Randriamahandry Henintsoa Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT