Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia namoaka fanambarana koa ry zareo avy eo anivon’ny fikambanan’ireo tanora mpiaro sy mpampanjary ny harem-pirenena na ny Tandroharena Madagasikara fa sarotra ny tsy hiteny amin’izao toe-draharaha mitranga izao.
Tsy fikambanana politika akory izahay, hoy izy ireo, ary tsy fanambarana politika ity fa ny fahatsapana fa manana andraikitra amin’izay mety hahasoa ny tany izay harena lehibe indrindra mirakitra ireo harena hita maso sy tsy hita maso no antony hitenenana. Manana ny filazany avokoa ny vondrona sy antoko ary fikambanana hafa ka ao ireo manohana ny hetsika etsy amin’ny 13 mey ary ao ireo mamono afo. Ho anay dia tsy hetsik’ireo depiote 73 irery io na an’ny TIM sy Mapar, hoy hatrany ny fikambanana fa hetsiky ny Malagasy rehetra ao anatin’ny antsoina hoe “Fokonolona” io efa mipoaka io. Tsapan’ny Malagasy fa miha voahosihosy ny satam-pirenena dia ny “Fanahy no olona” izay haren-tsaina mampiavaka antsika amin’ny firenen-kafa. Eo koa ny fahaverezan-kasina satria variana loatra amin’ny hita maso isika. Tsy noraharahian’ireo tsimatimanota ny fahaverezan’ny satro-boninahitry ny mpanjaka satria heverin’izy ireo fa ilay volamena ivelany ihany no nisy dikany fa tsy nasiany lanjany ny haren-tsaina noraketiny. Mitotongana daholo ny sosialy sy ny toekarena ary ny kolontsaina moa dia ambanin-javatra tanteraka. Manohana ny tolom-bahoaka izay tarihin’izy 73 mianadahy izahay, hoy izy ireo, ho fanarenana izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.