Toekarena

Tanora mpandraharaha Tokony hotohanan’ny fanjakana amin’ny fampisamboram-bola


  • Sabotsy 07 Aprily 2018

Tsy handroso mihitsy ny firenentsika, hoy Atoa Hasina, talen’ny orinasa FENEC anisan’ireo mpanamboatra fotodrafitrasa eto amintsika raha mbola hiasa aman’olona foana ireo tanora Malagasy marobe nahavita fianarana fa tsy hanana orinasa mahaleotena ho an’ny tenany.

 

Betsaka anefa ireo olana sedrain’izy ireny ankehitriny, indrindra ho an’ireo manam-piniavana ny hanangana orinasa, hoy hatrany ity talen’ny orinasa FENEC ity. Anisan’ny ohatra  noraisiny tamin’izany ny tsy fananan’ny tanora volabe hampiasaina, antony tsy hananan’ireo mpamatsy vola avy any ivelany fahatokisana azy ireny raha omena antoka goavambe. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana raha mbola olana hafa ihany koa ny tsy fahatokisan’ireo banky eto an-tanindrazana azy ireny. Mila fanohanan’ny fitondram-panjakana izany, hoy hatrany Atoa Hasina ka ny vahaolana tsara indrindra dia fanohanana ny tanora mpandraharaha amin’ny resaka fampisamboram-bola mba hahafahany misondrotra. Tokony hahena ihany koa ny hetra alaina amin’izy ireny, hoy hatrany Atoa Feno satria mamono azy ireny izany. Nomarihiny manokana moa fa raha sanatria ka mikatona ny orinasana tanora mpandraharaha iray dia olona folo raha kely no mety ho very asa nefa hanampy ny fanjakana hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa eto amintsika  no tena antom-pisian’izy ireny.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT