Toekarena

Tanora mpandraharaha sakay Hamatsy vokatra 27,5 taonina


  • Talata 14 Febroary 2023

Tontosa ny zoma 10 febroary 2023 tao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny fambolena sy ny fompiana Matsiatra

Ambony ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana ara- barotra mahakasika ny vokatra sakay vavam-borona na “piment bec d’oiseau” teo amin’ny fivondronan’ireo tanora tantsaha mpamokatra Soamiaradia sy ny Orinasa Hy Techno Green Energy na “HTGE”. Vokatra milanja 27,5 taonina no raisin’ny orinasa HTGE amin’ireo tanora mpamokatra manomboka ny faran’ny volana mey 2023 ka hatramin’ny faran’ny volana martsa 2024, hoy ny fampitam-baovao. Mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny vokatra sy mba hanampiana ireo tanora mpamokatra ireo dia nanolotra masomboly voafantina milanja 1kg ny orinasa HTGE. Tsy mitsahatra manampy tosika ireo tanora mpandraharaha ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana amin’ny alalan’ny “Programme Formaprod” izay vatsian’ny FIDA vola, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT