Toekarena

Tanora mpandraharaha Malagasy Tsy ampy sehatra ivelarana


  • Zoma 23 Novambra 2018

Nanatanteraka hetsika tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny tanora mpandraharaha mikambana ao amin’ny Youg Men’s Christian Association (YMCA) omaly alakamisy 22 novambra.

 

 

Hetsika fanao isaky ny 4 taona ary haharitra 3 andro ka hanamarihana ny fihaonam-be nasionalin’ny fikambanana.  Omaly dia nisy ny seho maro samihafa nanomezana toerana ny tanora ankoatra ny fanamarihana ilay fihaonambe nasionaly. Tanjona ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny tanora izay tsy afa-mivelatra noho ny tsy fisian’ny mpanosika sy ny mpanofana. Ampirisihina sy omena vahana tanteraka ny tanora hampitombo sy hampiroborobo ny fandraharahana ataony amin’ity hetsika ity. Naneho ampahibemaso ny vokatry ny fiofanana mahakasika ny fandraharahana nataony tao amin’ny YMCA koa ireo tanora mpikambana ao. Nisy ireo fampirantiana tranoheva maro samihafa nataon’izy ireo nahitana ireo vokatra vita izay miompana tamin’ny fandraharahana nataony. Tsy diso anjara ihany koa ny famelabelarana sy ny fifampizarana traikefa amin’ireo zoky efa mpandraharaha izay niresahana lohahevitra maro samihafa. Ankoatra ny sehatra ara-toekarena, fotoana nanehoan’ny tanora ny fahaiza-manaony ara-koltoraly ihany koa ny hetsika. Nisy ny fampisehoana ny talentan’ny faritra maro samihafa. Amin’ny famaranana dia hisy ny fampisehoana iarahana amin’i Samoela sy Rak Roots. Ny vola azo dia hanampiana hatrany ny tanora mba hivelatra amin’ny fandraharahana ataony. Na dia mamolavola ny tanora ho tonga sy hanana toe-tsaina tena mpandraharaha amin’ny fananganana tetikasa ary mampivelatra ny maha olona aza ny YMCA dia mbola olana ny fitadiavana lalam-barotra ka antony hanaovana fitadiavana famatsiam-bola. Nahatratra 75 moa ireo tanora novolavolain’izy ireo tamin’ny sehatra fandraharahana tamin’ity taona 2018 ity. Efa an-jatony maro hatramin’ny taona niforonany.

Tsirinasolo

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT