Toekarena

Tanjon’ny fampandrosoana holovain-jafy Ahiana hatrany ny tsy ahatrarana azy


  • Talata 05 Jona 2018

Manoloana ny fitohizan’ny krizy politika eto Madagasikara dia hita ho manindry mafy ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra amin’izao fahataran’ny firenena Malagasy amin’ny fampandrosoana izao.

Nisy ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny talata 29 mey farany teo tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina, ny vaindohan-draharahan’ny tanjon’ny fampandrosoana holovain-jafy (ODD) izay nataon’Andriamatoa Herilanto Raveloharison, minisitry ny toekarena sy ny tetipivoarana. Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2015 dia niditra tamin’ny vinam-pampandrosoana ODD izay manana tanjona 17 ary iraisan’ny firenena rehetra mpikambana ao amin’ny Système des Nations Unies i Madagasikara. Araka izany dia tsy  mandeha irery fa miara-miasa amin’ny firenena mikambana ary arahin’izy ireo maso hatrany. Tarafina sy tsarain’izy ireo  ny fomba nandraisana sy ny fanatanterahana ireo tanjom-pampandrosoana maharitra manoloana ny vinam-pampandrosoana na ihany koa  ilay drafitra entina ampandrosoana ny firenena. Narafitra mba ho hitan’ny sehatra iraisam-pirenena ireo heverina ho maika indrindra ary mifanaraka amin’ny ilaina amin’ireo tanjona 17.  Hatreto dia iaraha-mahita ny tsy fahaiza-mandrindra sy ny tsy fahatrarana ireo tanjona fa variana hatrany amin’ireny atrikasa  sy ny resaka ambony latabatra fotsiny ireny i Madagasikara. Eo ihany koa  ny fakan-kevitra sy fanadihadiana lava atao eny amin’ny faritra hamaritana izay tanjona tsara indrindra kanefa tsy resy hatrany ny fahantrana. Fandresena ny fahantrana, fanafoanana ny hanoanana ary ny fampihenana ny tsy fitoviana eny amin’ny faritra ny amin’ny fampandrosoana no nolazain’Andriamatoa minisitra ho laharam-pahamehana. Nilaza ihany koa ity farany fa tsy azo sarahina ireo tanjona amin’ny OMD sy ny ODD. Mampametra-panontaniana ihany aloha hoe ho tratra indray ve ny tanjon’ity ODD ity kanefa ny tanjon’ny OMD izay sosialy no tena mibahan-toerana aza tsy vitan’i Madagasikara ? Ny zavatra tsapa dia tsy maharaka mihitsy ny firenena Malagasy ny amin’izay  tokony ho fampandrosoana misy. Lesoka hatrany ny fomba fitantanana amin’ny ankapobeny, tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fifandraisan’ny sehatra maro samihafa (interconnexion des secteurs), tsy misy politikam-panjakana matotra mitodika tanteraka amin’ny fampandrosoana. Taraiky hatrany i Madagasikara ary tsy mba maka lesona amin’ireo firenena afrikanina izay nahantra nitovy taminy tany am-boalohany kanefa tafita amin’izao noho ny ezaka sy ny fitiavan-tanindrazana tao amin’ny mpitondra.

Tsiry

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT