TANINKETSA INDOSTRIALY

« Tsy maintsy vokarina eto an-toerana ny zavatra ilain’ny mponina »


  • Talata 19 Martsa 2024

Nazava ny teniny ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa tsy maintsy vokarina

eto an-toerana ny zavatra ilain’ny mponina eo amin’ny andavan’androm-piainany. Manamafy ny hafainganam-pandeha eo amin’ny fanatanterahana ny politika napetraky ny Filoha momba ny fampiroboroboana ny indostria na ny MIC amin’izao fotoana izao izany hoy izy. Mihazakazaka ny fanatanterahana ny famokarana ifotony ny filàn’ny mponina. Tetikasa imasoan’ny Minisitera tarihan’ity Ministra ity araka izany ny fametrahana ozinina manakaiky vahoaka na ny One Distict One Factory (ODOF). Milina miisa 52 no efa naterin’ny MIC eny anivon’ny Distrika ao anatin’ny faritra 21 hatreto. Ozinina miisa 5 amin’ireo efa tafapetraka sy efa mamokatra ary mamatsy ny mponina toy ny ozinina manodina ny ronono ho lasa fromazy sy yaourt ao Moramanga, ny ozinina mamokatra tantely ao Manjakandriana, ny ozinina manodina ny voanjo ho lasa menaka ao Analavory, ny ozinina manodina voatabia ho lasa ketchup ao Ambatondrazaka ary ny ozinina manodina voanjo ho lasa menaka ao Ankadinondry Sakay. Manampy sy miara-miasa amin’ny kaoperativa sy ny tantsaha eny ifotony ny tetikasa ODOF hanatsarana ny toekaren’ny faritra sy ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony. Tafiditra ao anatin’ny lalan-tsain’ny ODOF ihany koa ny fanomezana ny vahoaka Malagasy vokatra zakan’ny fahefa-mividiny. Vokatra manaraka ny fenitra ary tsara kalitao amin’ny vidiny mirary afaka mifaninana amin’ny vokatra nafarana. Ohatra amin’izany ny ozinina manodina ny voanjo ho lasa menaka ao Ankadinondry Sakay. Teo aloha amin’ny tanana ny mpandraharaha no manodina ny menaka ary ratsy ny kalitao azo amin’izany, vitsy ihany koa ny vokatra ka tsy maharaka ny filàn’ny mponina. Ankehitriny noho ny fisian’ny milina ODOF dia 2000 litatra isam-bolana ny mena-boanjo vokatra ao amin’ity taninketsa indotrialy ity.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo ozinina efa napetraka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT