Toekarena

Taninketsa indostrialy Nahazo karazana milina 4 I Toliara


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Tsy diso anjara tamin'ny fisitrahana taninketsa indostrialy koa i Toliara. Ozinina kely miisa efatra no natolotra tao Toliary renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana ny faran'ny herinandro teo.

Isan'izany ny milina fanodinana akora ho lasa menaka toy ny sozaha sy ny voanjo. Mahavita manodina akora ahazahoana menaka milanja 1200 kg isan'ora io milina io izay apetraka ao amin'ny distrikan' Ampanihy. Distrika mamokatra 500 000 taonina isan-taona ny milina. Ny ozinina faharoa kosa dia mamokatra Chips. Akora ampiasaina aminy ny ovy sy oviala, ny vomanga igname ary akondro. Mahavita manodina akora fototra avadika ho chips 100 kilao ity milina faharoa ity ary hapetraka ao Toliary voalohany. Mamokatra akondro milanja 200 000 taonina isan-taona koa mantsy i oliary. Ny milina fahatelo kosa dia afaka manodina kobam-bary ho lasa lafarinina sy paty. Afaka manodina kombam-bary 400 kilao isan'ora indray kosa ity milina ity. Ny ozinina kely faha-efatra kosa dia manodina voamanaina , toy ny kabaro sy tsaramaso maina ho lasa lafarinina ihany koa. Afaka manodina voamaina milanja 1500 kilao isan'ora izy io ary hapetraka ao amin'ny distrikan'i Morombe,… Tanjona ny fahafahana mitahiry ireo vokatra ireo mba tsy ho simba.
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT