Vitsy ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony tamin’ny tsenabe Tangorona 2017.
Ireo sampandraharaham-panjakana no nasaina nameno ny trano heva nanantontosana ny fampirantiana tao amin’ny kianja Rasolonjatovo. Zary adino ny fotokevitry ny tsenabe dia ny fanomezazana vahana ny tantsaha eo amin’ny fitadiavana lalam-barotra mba hanatsarany ny seham-pihariany.Raha fotoana nafahana nampiray ny zanaky ny distrika dimy hatramin’izay ny Tsenabe, tamin’ity indray mitoraka ity somary nohamaivanina ny faritra izany.Tsy mahagaga raha betsaka ireo nitsikera iny tsenabe Tangorona iny.Ohapitenenana ratsy any Alaotra ny tangorona kanefa dia naravaka ny tsenabe tamin’ity taona ity.Somary tsy nomena hasiny koa ny resaka serasera tamin’iny tsenabe iny ka tsy mahagaga raha manta ny fijerin’ireo mpitazana azy.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.