Toekarena

Tangalamena Zakariasy Patrick “Hamotika firenena ny fanomezana vahana ny Sinoa”


  • Talata 01 Aogositra 2017

Mampidi-kizo ny firenena Malagasy ny fironan’ny fitondrana Rajaonarimpampianina manome vahana ny sinoa eto Madagasikara, hoy ny Tangalamena Patrick Zakariasy.

Tsy mametraka fepetra tokoa izy ireo fa misy takalony avokoa ireo asa fananganana fotodrafitrasa marobe tontosainy eto amintsika dia ny fitrandrahana ny tany miaraka amin’ireo harena amboniny sy anatiny. Ny filoham-pirenena mihitsy rahateo no tena misisika amin’ity fiaraha-miombon’antoka mifanindran-dàlana (financement parallèle) amin’ny firenena sinoa nitarika ny fialàn’ny minisitry ny Fitantanana sy ny Tetibola teo aloha Rakotoarimanana Gervais ity. Manimba ny fifandraisantsika amin’ireo mpamatsy vola mahazatra ahitana ny Tahirimbola sy ny banky iraisampirenena ary ireo firenen-dehibe toan’i Etazonia sy Frantsa io fihetsiky ny mpitondra Hery Vaovao hoan’i Madagasikara io, hoy ity ray aman-dreny ara-drazana ity. Voakitika mantsy ny tombontsoan’ireto mpiara-miasa matanjaka mbola mangeja antsika eo amin’ny lafiny famatsiambola ireto. Fanapahan-kevitra tsy voahevitra tsy maintsy hisy akony eo amin’ny tohana ara-bola avy amin’ny sehatra iraisampirenena, araka ny fanamarihan’ny Tangalamenan’i Brickaville.

Nangonin-dRamano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT