Toekarena

Tambin-karaman’ny mpampianatra Nisy ny fanitsiana, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena


  • Zoma 28 Febroary 2020

Namoaka fanambarana fohy tetsy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny

 

 

 

fampiofanana teknika etsy Anosy omaly ny minisitra, Rijasoa Andriamanana Josoa, sy ny ekipany fa tsapan’ity minisitera ity ny fiandrasan’ireo mpampianatra sy mpandraharaha eo anivon’ity minisitera ity ny vaovao mikasika ny tambin-karama voafaritra ho azon’izy ireo ho tohin’ny fampiharana ny fifanarahana natao teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny jolay 2018. Tsy vao izao ny minisitera, hoy izy, no nikaroka ny fomba rehetra hampiharana io fifanarahana io ho tombontsoan’ny besinimaro. Nisy ny fanitsiana tsy maintsy nentina teo amin’ireo didim-panjakana efa nivoaka teo aloha mba hisian’ny fitoviana lenta eo amin’ny mpiasa rehetra. Eo am-pamaranana ny dingana rehetra tsy maintsy arahana ankehitriny ny minisitera sy ny governemanta ary manamafy izahay fa efa tsy mitsahatra mikaroka ny vahaolana hanafainganana izany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT