Toekarena

Tale teknikan’ny fitantanana ankapoben’ny hetra “Tsy niasa nanomboka ny 15 jona…”


  • Alakamisy 01 Oktobra 2020

Toa sadasada ihany ny fomba fandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra eto amin’ity firenena ity, hoy ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ity sampandraharaha ity?

 

 

 

 Raha tsiahivintsika ny tantara dia nesorina tamin’ny andraikiny ny Tale Jeneralin’ny fitantanam-bolam-panjakana rehefa hita nivoaka teny amin’ny « Facebook » fa nitondrana mariazy ny fiaram-panjakana ampiasainy. Niarahantsika nahita koa ny fanesorana an’ireo Tale Jeneraly roalahy misahana ny fitanana an-tsoratra ny volam-panjakana sy ny fitsirihana ara-bola raha vao niandoha ny hamehana noho ny covid-19 izay tsy fantatra mazava ny tena antony. Fantantra araka ny angom-baovao voaray, hoy hatrany ny fampitam-baovao, fa ny Tale Teknika (DiTech) eo anivon’ny foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra dia tsy niasa nanomboka ny 15 jona hatramin’ity andro anio ity araka ny naoty manamarina ny tsy fahatongavany miasa izay soniavin’ny Tale Jeneraly. Misitraka hatrany ny karama sy ireo tombotsoany anefa izy. Manana adidy ny Tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fitantanana ankapoben’ny hetra hanazava raha mbola afaka hanohy ny asany io Tale io na tsia. Toy izao ve no fomba entina mitondra sy mitantana ny firenena nefa ny vahoaka sy ny mpandraharaha dia terena tsy maintsy handoa hetra na dia ao anatin’ny fahamehana sy ny fahasahiranana lalina aza, hoy hatrany ny fampitam-baovao?

J. Mirija

Sary fanehoana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT