Toekarena

Tale Jeneralin’ny OMH “Efa 4100Ar ny vidin-tsolika any am-potony”


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Nanamafy tamin’ny alalan’ny pejim-baovaon’ny fanjakana ny Tale Jeneralin’ny OMH na ny Ofisim-pirenena momba ny akoron’afo Ato Jean-Baptiste Olivier omaly 06 jona,

fa tsy azo hihodivirana ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Maro ny firenena efa nampiakatra, ny gazoala no tena miakatra satria be mpampiasa indrindra maneran-tany. Raha ny eto amintsika 3400Ar ny litatra eto amintsika, any 1200dolara ny taonina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’izao, izany hoe: 4100Ar eo ho eo ny vidiny any am-potony kanefa ny hivarotantsika latsak’izany. Mbola maro anefa ny saran-dàlana na an-dranomasina, ny saran’ny fampidirana azy ao amin’ny seranan-tsambo, ny saran’ny fitaterana an-tanety, ny tombony alain’ny mpaninjara solika, ny hetra sy ny haba,… Tsy azo hihodivirana ny fiakarana satria ny am-potony mihitsy no efa lafo. Matoa mbola ela vao tafavoaka dia mbola mitady ny hoe: aiza no hametrahana azy mba ho zakan’ny olona. Ny lafo indrindra manodidina antsika, dia manodidina ny 7000Ar izy any Seychelles, Maurice sy Afrika Atsimo manakaiky ny 6000Ar, Kaomoro nampiakatra, ny any Eoropa efa mihoatra ny 2euros izany hoe: mihoatra ny 10000Ar… fa ny antsika amin’izao mbola 3400Ar. Raha ny fampiharana ny vidiny tena izy mitaha amin’ny mason-karenany dia mety hitombona ny fampitahana sy ny filazana fa efa misondrotra ny an’olona, fa raha ny vidim-piainana sy ny fari-piainana any amin’ireny firenena ireny sy ny eto amintsika dia tena very lavitra isika. Fandemen-tsaina ny filazana hoe: tsy ny antsika irery no miakatra fa ny an’olona aza efa izao sy izao. Maivana amin’ireny firenena tanisaina ireny ny vidiny any aminy aminy noho ny fari-piainan’ny vahoakany sy ny toekarem-pireneny fa mba ahoana isika?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT