Toekarena

Taksibrosy Fasan’ny Karana Nihena ny mpandeha noho ny Pesta


  • Alakamisy 19 Oktobra 2017

Mikasa ny hampitsahatra ny asa tanterahiny ireo mpitatitra ao amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly etsy amin’ny toby fiantsonana Fasan’ny karana raha mbola mitohy hatrany ny fiparitahan’ny valan’aretina Pesta.

Raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny ASTRAM Atoa Fredinard mantsy dia misedra olana tanteraka izy ireo hatramin’ny nisian’ny aretina Pesta, indrindra fa tamin’ity taona 2017 ity. Raha nihena hatrany amin’ny 30 % mantsy ny tahan’ny famenoana fiara tamin’ny taona 2016 fotoana nisian’ny aretina Pesta tahaka izao dia tafakatra 70 % izany ankehitriny. Vokany,  raha nahatratra 150 isa isan’andro teo aloha ireo taxi-brousse mivoaka miazo ny faritra dia tsy misy afa-tsy ny 50 %-n’izy ireo sisa no miasa ankehitriny. Ankoatra izay raha araka ny fanazavana azo hatrany dia tsy mahatratra folo isaky ny fiara akory ireo mpandeha, noho ny tahotra ny aretina hany ka mahatsiaro ho maty antoka tanteraka izy ireo.  Tsiahivina moa fa ankoatra ireo mpitatitra etsy amin’ny Fasan’ny Karana dia saika olana sedrain’ireo mpitatitra miazo ny Faritany amin’izao fotoana izao ny tsy fisian’ny mpandeha.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT