Toekarena

Takalon’ny fampiakarana vidim-piainana Fitserana no nanomezan’ny FMI ilay FEC 31,9 tapitrisa dolara


  • Alarobia 14 Septambra 2022

Nankatoavin’ny Filankevi-pitantanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny alatsinainy 12 septambra 2022 teo ny famoahana maika ny tapany fahatelo amin’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) mitentina 31,9 tapitrisa dolara ho an’I Madagasikara.

Nampiakatra ny famoaham-bolan’ny FEC anjarantsika ho 159,7 tapitrisa dolara izany, raha toa ka 320 tapitrisa dolara eo ny fitambarany, izay im-pito no eritreretina hanaovana ny famoaham-bola manontolo, ka ny 3 izany no vita izay. Fanampiana ho an’ny tany mahantra noho ny faharefoana ara-toekarena io ho fandrakofana ny filàna ara-bola ivelany sy ara-tetibola io. Nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison omaly, fa noho ireo ezaka vitan’ny fitondram-panjakana teo amin’ny lafin-javatra arahin’ny FMI maso sy ny fepetra apetrany no nahazoana an’io. Isan’izany ny tahan’ny harin-karena nahatratra 4,3% tamin’ny 2021 na teo aza ny coronavirus, rivodoza,… Mihemotra moa isika satria manodidina ny 2,6% ny nofaritana ho tratra amin’ity taona ity. Teo ihany koa ny tahan’ny fampidiran-ketra teo amin’ny fadin-tseranana sy ny nanajana ny famerana ny trosa na “plafond d’endettement”, fetra tsy azontsika hihoarana amin’ny trosam-panjakana, ny famoahana ny “audit indépendant” mikasika ny tsenambaro-panjakana tamin’ny covid-19 izay nambara fa nankasitrahan’ny FMI manokana ny fangaraharana nataon’ny Fanjakana, toy ny antontan’isa azo jerena amin’ny tranonkala. Mifanohitra tanteraka amin’io ny voarakitry ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty na ny “cour des comptes” nivoaka tamin’ny 17 febroary 2022 mikasika ny fitantanana ny volan’ny coronavirus tapany voalohany nahatratra 444 tapitrisa dolara na 1818 miliara Ar eo. Nilaza moa ny FMI fa mbola maro ny zavatra mila hitondrana ezaka toy ny fampiasam-bolam-panjakana izay tokony hitodika amin’ny fampiasam-bola sosialy, tokony hitodika kokoa any amin’ny fanatsarana ny fampidirana hetra anatiny satria firenena tena mbola mila vola.
SANDAN’NY FAMPIAKARANA VIDIM-PIAINANA
Isan’ny nankasitrahan’ny FMI ihany koa ny fanovana ny rafitry ny vidin-tsolika izay marihina fa nampisy fiakarana 1800Ar sy 1500Ar isaky ny litatra nanomboka ny 11 jolay 2022. Fahasahiana manokana avy amin’ny Fanjakana Malagasy ny nikitika ny “structure de prix” teo amin’ny solika, hoy ny minisitra. Nanaraka izany ny “Optima business” izay nampiakarana ny saran’ny herinaratra ho an’ny orinasa, ity “optima business” ity izay niteraka fiakarana 30 hatramin’ny 60% eo moa io. Tanjona ao anatin’ireny moa ny tsy hisian’ny fanentsenam-bidy lava ataon’ny Fanjakana, saingy niteraka fipoahana goavana any amin’ny vidim-piainana izay isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana. Mba hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka ve izany 31,9 tapitrisa dolara izany raha 444 tapitrisa dolara aza fiakaran’ny harin-karena niiba -7% latsaka kely no nisy teto
? Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT