Toekarena

Tahirimbolam-panjakana Vita ny fitsirihana lalina nataon’ny SSC Tunisie


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Nanamafy omaly ny eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana fa dingana tsy azo iodivirana hanatrarana ny vina "Tahirimbolam-panjakana mivoatra,

miasa mahitsy anatin'ny mangarahara ary lavitry ny kolikoly" ny fametrahana "Système d'Information" (SI) matanjaka sy voaaro tsara. Araka fampahafantarana tao amin’ny pejin-tseraseran’io rafitra ara-bola io, tontosa omaly alarobia 08 Febroary maraina ny fanehoana tamin'Atoa RAJAOFETRA Andry Nirina , Tale Jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana sy ireo Tale mpiara-miasa aminy ary ireo tompon’andraikitra samihafa voakasik'izany eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny vokatry ny fitsirihana lalina na "Audit" nataon'ny Security System Consulting (SSC Tunisie) izay novatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola tamin'ny alalàn'ny tetik'asa PRODIGY (Projet de gouvernance digitale et de gestion de l’identité Malagasy). Natolotr'ireto iraka ireto tamin'izany ihany koa ny drafitr'asa "Plan d'Actions" ho fanatsaràna ny rafitra sy ny « SI » misy ankehitriny. Nambara fa tsy mijanona hatreo ny asan'izy ireo fa mbola hitohy amin'ny fametrahana ny "Manuel de sécurité du SI" sy fanaovana atrik’asa fanentanana ny mpiara-miasa rehetra ny amin'ny fiovana aterak'izany, ato anatin'ny enimbolana voalohan'ity taona ity.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT