Toekarena

Tahirimbolam-panjakana Mankalaza ny faha-60 taonany


  • Talata 04 Jolay 2023

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato omaly 03 jolay ny Fivoriamben'ny Tahirimbolam-panjakana, ivon'ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroan'ny Tahirimbolam-panjakana Malagasy.

Nanome voninahitra izany fotoana izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny Talen'ny Kabinetra, sy ireo lehibe isan-tsokajiny maro eto anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nandritra izany no nanambaran’io minisitra io, fa « ny fahaiza-mitantana, ny fomba fiasa mifanaraka amin’ny toetr’andro, ny fahavononana hiady amin’ny kolikoly, ny asam-panjakana manatona vahoaka : ireo no tambim-pahatokisana andraisan’ny mpiray tanindrazana amintsika ary fanoitra hampandroso ny toekarena." Niarahaba ny Tahirimbolam-panjakana sady nirary azy hilofo hatrany hitohy hahatratra ny vina napetrany : "Tahirimbolam-panjakana mivoatra, miasa tsara ao anatin'ny mangarahara, ary lavitry ny kolikoly" ny Minisitra. Nandritra io no nanolorana mari-boninahim-pirenena ho an'ny mpiasa sasany teo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana ka, 1 Grand Officier, 1 Commandeur, ary 180 Officiers sy Chevaliers de l'Ordre National, araka ny fampahafantarana navoakan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT