Toekarena

Tahirimbolam-panjakana Andry Nirina Rajaofetra no Tale Jeneraly vaovao


  • Alakamisy 09 Septambra 2021

Telo herinandro taorian’ny nanesorana ny Tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana teo aloha Atoa Ihaja Ranjalahy nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 18 aogositra, voatendry omaly ny solony.

 Atoa Andry Nirina Rajaofetra izay Talen’ny Tranopritim-pirenena nanomboka ny taona 2019 no voatendry ho eo amin’io toerana stratejika hisahana ny fitantanana ny volam-panjakana io. Voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola ihany koa Atoa Ramanampanoharana Andry Velomiadana Bearison, ary Talen’ny Serasera kosa Rtoa Johasy Randrianarisoa Hasitiana. Mikasika ny Tale Jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana Andry Nirina Rajaofetra, “Inspecteur du trésor” ny tenany ka isan’ny iraka lehibe hiantsorohany izany ny fanadiovana ity departemanta ity amin’ny lafiny fitantanana satria vao tonga teo ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison dia naneho ahiahina kolikoly sy fitantanana amin’ny fomba tsy mangarahara ny volam-panjakana. Notapahana nandritra ny fanesorana ny Tale Jeneraly teo aloha raha tsiahivina ny famoahana volam-panjakana ankoatra ny karama. Niteraka tsy fahafaliana tao anatin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola raha tsiahivina ny kiana mivaivay nataon’ny Minisitra momba ny kolikoly sy fitantanana, ka nivoaka ihany koa ny dosie misy hidirany mivantana na an-kolaka satria efa Sekretera Jeneralin’io minisitera io izy teo aloha. Isan’izany ny fivoahan’ny resaka fa na efa voaantso hiasa tany amin’ny CNaPS aza ny vadin’io minisitra io, dia mbola nisitraka karama am-polony tapitrisa maro tao amin’ny tahirimbolam-panjakana, misy mpiasa voalaza fa efa nafindra hiasa any amin’ny Banky iraisam-pirenena any Etazonia, saingy mbola nisitraka karama tao amin’ny tahirimbolam-panjakana,… Momba ny fitantanana volam-panjakana hatrany, isan’ny adihevitra teto tany ho any amin’ny fiandohan’ny 2020 ny nanombohan’ny fahazoana famatsiam-bolan’ny covid-19 no nanesorana tombon’andraikitra ambony momba ny fitsirihana ny volam-panjakana. Miandry rivo-baovao hoentin’ny tompon’andraikitra vaovao .
Legende : Andry Nirina Rajaofetra, tale jeneraly vaovao hitantana ny Tahirimbolam-panjakana
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT