Toekarena

Tahirimbolam-panajakana Mandray ny asany ireo Tale ambony vaovao


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Tontosa omaly 26 aogositra 2020 maraina ny fifamindram-pitantanana teo amin’ireo tale telo voatendry eto anivon’ny fitantanana ankapoben’ny

 

 

Tahirimbolam-panjakana, izay nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra ny 20 aogositra 2020 teo no nanendrena ireo tompon’andraikitra vaovao. Nanatrika izany ny mpiara-miasa sy ny tale ary ny lehiben’ny sampandraharaha maro, izay notarihin’ny Tale Jeneraly Ihaja Ranjalahy sy ny Talen’ny kabinetran’ny minisitera, Tsirofy Mihamina Ratovoharinony. Atoa Ratovondrahona Herinantenaina no voatendry ho talen’ny “Brigade d’investigation financière et de l’audit”( DBIFA) nandimbv an’Atoa Zafimahery Abel. I Randrianirina Hanitra Olivia kosa no voatendry ho "Directeur des Études" ( DE) handimby an’i Ratovoharinony Tsirofy Mihamina , izay voatendry ho Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Ary i Raharijaona-Ndrianarilala Rado Haja Ezekiela no voatendry ho Tale vaovaon’ny fitanan-kaontim-panjakana (DCP) misolo toerana amin'i Hery Manantenasoa Micheline, tale teo aloha. Nankasitraka feno ireo Tale teo aloha moa ny Tale jeneraly Ihaja Ranjalahy sy ireo solontenan'ny mpiasa tamin'ny fanavaozana sy fanatsarana izay nentin'izy ireo. Nambarany fa hojerena akaiky ireo olana izay mety mianjady amin’ny mpiasa. Antenaina hoy izy fa hitondra ainga vao sy fijery vaovao eto anivon’ny Tahirimbolam-panjakana ireo Tale vaovao mandray ny asany nanomboka androany ireo. Nizotra tamim-pirahalahiana avokoa ny fifamindram-pitantanana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT