Toekarena

Tahirimbola iraisam-pirenena Mitsirika ny fahasalaman'ny toekarena Malagasy


  • Alakamisy 09 Martsa 2017

Eto Madagasika nanomboka ny 7 marsa teo indray ny iraky ny FMI (Fonds Monetaire International) tarihan'i Marshal Mills. Fitsidihana arahina asa haharitra roa herinandro hijeren'ny delegasionina avy amin'ny Tahirimbola iraisam-pirenena ny fahasalaman'ny toekarena Malagasy amin'ny ankapobeny.

Hizara roa mazava tsara rahateo ny dian'ireto teknisianina manam-pahaizana momba ny ekonomia avy ao Bretton Woods ireto, araka ny fanazavan'ny solontena maharitra Patrick Imam. Eo aloha ny fanatontosana ilay fandaharanara FEC (Facilite Elargie de Credit) tohanan'ny FMI mitentina 304,7 tapitrisa dolara mandritra ny 3 taona nanomboka ny volana oktobra 2015. Famatsiam-bola mitsipotipotika manodidina ny 43 tapitrisa isaky ny enim-bolana moa izy io ka andrasana aorian'izao tombana izao ny fanampiana andiany faharoa. Hifanakalo fomba fijery ekonomika antonona ezaka voafaritra indray mandeha isan-taona amin'ny fanjakana Malagasy ihany koa ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Anisan'izany ny olana ara-drafitra toy ny fanavaozana ara-pitantanana ny orinasa Jirama. Mitohy hatreto ny fisitrahan'i Madagasikara ny programa FEC raha ny tombana santatra tamin'ny volana janoary 2017. Afaka tapa-bolana kosa isika mahita azy. 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT