Toekarena

Tahirim-bola vahiny Tsy maintsy atao tsara tantana


  • Talata 26 Martsa 2019

Anisan’ny tanjon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ny fampiakarana ny tahirim-bola vahiny sady andraikitra mivantana sahaniny mihitsy.

 

 

 

 Nanambara ny governora Alain Herve Rasolofondraibe fa miakatra sy mihatsara ny tahirim-bola vahiny amin’izao. Efa mihoatra ny tamin’ny faran’ny taona mihitsy aza izany  amin’izao 3 volana voalohany amin’ity taona vaovao ity izao. Nanambara ihany koa ny tenany fa tena ilaina ny fahaiza-mitantana sy mikajy tsara izany mba hitera-bokatsoa ara-toekarena ho an’ny firenena.  Raha ratsy tantana mantsy dia mety ho very anjavona any fotsiny ka hiteraka fatiantoka mihitsy. Misy hatrany ny fandaharan’asa ataon’ny BFM hahatsara ny fitantanana izay iarahany amin’ny Banky Iraisam-pirenena mba ho tombony ara-toekarena.

 

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT