Toekarena

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Tsy mahatoky saka fa trondro ny laoka ?


  • Talata 20 Septambra 2022

Noraisin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny biraony tao Antaninarenina omaly 19 septambra 2022 ny solotena avy amin’ny

Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI). Nivory nanomboka omaly ireo teknisianina avy amin’ny roa tonta hanomanana ny fitsirihana fahatelo mahakasika ny FEC (Facilité Elargie de crédit) sy ny rafitra ara-toekarena handrafetana ny tetibolam-panjakana 2023, hoy ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola. Nomarihina fa narafitra araka ny andininy faha-4 momba ny satan’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena izay mijery ny zava-misy eny amin’ireo firenena vatsiany vola ankoatra ny programa FEC izany. Isan-taona izy io no atao ho an’ireo firenena tsy manana programam-piaraha-miasa amin’ny FMI ary 2 taona kosa ho an’ireo manana izany. Mifanindran-dalana amin’ny fitsirihana faha-3 arak’izany ny an’i Madagasikara ka izao iarahana dihinihina izao. Nasongadina tao anatin’io fa anisan’ny hodinihina ny tontolo iainana, fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, fanjarian-tsakafo, fiahiana ara-tsosialy, ary ny harin-karena izay nambara fa hita ao anatin’ny PEM (Plan Emergence Madagascar). Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny Praiminisitra izay mbola natrehin’ny Minisitry ny vola, ary mbola hisy ny fihaonana amin’ireo teknisianina eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny JIRAMA, ny OMH (Ofisim-pirenena momba ny akotran’afo), ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny Minisiteran’ny Mponina, ny Minisiteran’ny Fahasalamana, ny Minisiteran’ny Rano, ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny BIANCO, ny SAMIFN (Sampana miady amin’ny famotsiam-bola,…), ny PAC (Pôle Anti-Corrumption, ny ARAI (Agance de Recouvrement des Avoirs Illicites), ary ny Cour des Comptes na ny Fitsarana momba ny kaonty. Vao miresaka an’ireo rafitra ireo, dia resaka fitakiana fampiharana vidiny tena izy (vérité de prix), fangaraharahana, fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly… no ao ambadik’izany. Ny Fanjakana ankehitriny izay malaza ratsy amintsy tsy fisian’ny Fanjakana tsara tantana, ka tsy maintsy maka antoka ny FMI mialohan’ny famoaham-bola satria efa nandray lesona tamin’ny zava-misy. Tsara rahateo ny manamarika, fa somary nihena ny FEC nahazo fankatoavana farany teo, izay 31,9 tapitrisa dolara, raha manodidina ny 40-60 ny fandre matetika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT