Toekarena

Tahirim-bola iraisam-pirenena Tsy afa-po amin’ny fitantanana eto Madagasikara


  • Alatsinainy 25 Septambra 2017

Nivoatra ny zava-misy amin’ny ankapobeny eto Madagasikara raha ny programa Fec (Facilité Elargie de Crédit) no resahana, hoy ny FMI (Fonds Monétaire International).

Tsy afa-po amin’ny fomba fitantanan’ny mpitondra Hery Vaovao ho an’i Madagasikara kosa anefa ny Tahirimbola iraisampirenena, araka ny fanamarihan’ny iraka nanao fizahana tomban’ezaka farany teo. Tara ny firenena Malagasy eo amin’ity lafiny iray ity, indrindra ny fametrahana ny lalàna sy rafitra iadiana amin’ny kolikoly voarakitra ao anatin’ilay Snlcc (Stratégie Nationale de Lutte Contre la Corruption) hotontosaina ao anatin’ny 10 taona. Lalàna iray amin’ireo efatra voalazan’io paikady io ihany moa hatreto no nankatoavina tamin’ny taona 2016 dia ny lalàna iadiana amin’ny kolikoly, hoy ny tale jeneralin’ny Samifin (Sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola sy ady amin’ny famatsiam-bola ny fampihorohoroana) Lamina Boto Tsaradia. Efa eny amin’ny Anteninimiera, ohatra, ireo volavolan-dalàna momba ny fitakiana fanambaram-pananana sy ny fiaraha-miasa iraisampirenena saingy tsy nivoaka hatramin’izao. Tsy afa-misaraka anefa ireo rehetra ireo hampahomby ny paikady novolavolaina ny taona 2015 hatramin’ny taona 2025, araka ny fanamarihan’ny lehiben’ny rafitra miady amin’ny famotsiambola sy ady amin’ny famatsiambola ny fampihorohoroana.

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT