Toekarena

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Mitaky ezaka maro amin’i Madagasikara


  • Alarobia 12 Jona 2019

Nanambara ny teo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) fa mandeha amin’ny tokony ho izy ny toekarena Malagasy.

 

 Efa mandroso tsikelikely mankany amin’ny fahamarinan-toeran’ny harifaobe (stabilités macroéconomiques) i Madagasikara. Ankoatra izay dia nankasitrahany ny ezaka nahatrarana sy nitazomana ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena ho 5,2% tamin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny sehatra fambolena sy ny fandraharahana. Nahatsara ny toekarena ihany koa ny fanondranana lavanila sy ny fidinana sy ny fitazonana ny tahan’ny sondro-bidim-piainana nanodidina ny 6,1%. Na izany aza dia nitaky ezaka maro izy ireo tahaka ny amin’ny fampidiram-bola anatin’ny fanjakana sy ny fahatarana amin’ny fanitsiana ny vidin’ny solika. Tsy afapo ihany koa izy ireo ny amin’ny  fitantanana ka nitaky ny fanatsarana izany hatrany indrindra ny eo anivon’ny fandaniam-bolam-panjakana. Tokony hanatsara ny kalitaon’ny fandaniam-bolam-panjakana tahaka ny fanaovana fotodrafitrasa, ny fahasalamana ary ny fampianarana io Lalàn’ny Tetibola Nasiam-panitsiana io (LFR) hoy ny FMI. Nanamafy ihany ko izy ireo amin’ny ezaka hatao mahakasika ny olan’ny JIRAMA sy ny tokony fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT