Toekarena

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Mila ezaka i Madagasikara amin’ny fampidiran-ketra


  • Zoma 08 Novambra 2019

Betsaka ireo ezaka mila iantsorohana hampiaingana ny toekaren’i Madagasikara, hoy ny solontenan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI),

 

 

 Marc Gérard nandritra ny fandalovany teny amin’ny antenimierandoholona omaly. Namelabelatra tamin’ity andrim-panjakana ity mahakasika ny andraikitry ny Tahirim-bolam-pirenena ny tenany. Nambarany fa ankoatra ireo ezaka maro tokony hatao hanatsarana ny harifaobe ankapoben’i Madagasikara dia ilaina ny fiheverana sy fanatsarana ny fampidiran-ketra. 0,2% monja no mandoa ny 80%-n’ny hetra eto amin’ny firenena Malagasy hoy ny tatitr’i Marc Gérard.  Ilaina, araka izany, ny politika mazava amin’ny fampidiran-ketra, indrindra ny amin’ireo sehatra tsy ara-dalàna maro be.

Malalaka amin’ny findramam-bola i Madagasikara

Neken’ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena ny drafi-pivoaran’i Madagasikara PEM izay nozarain’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola tany Washington farany teo nandritra ny fivoriambe. Na izany aza dia ilaina mazava sy hamafisana ireo tena vaindohan-draharaha. Vonona ny hifanampy amin’i Madagasikara izy ireo ary hiroso tsy ho ela ny fifampidinihana eo amin’ireo famatsiam-bola isan-tokony Mahakasika ny fandaharan’asa FEC (Fonds Elargie de Crédit) andiany faha-6 dia malalaka i Madagasikara amin’ny findramam-bola. Anjaran’ny mpitondra firenena ny mijery ny laharam-pahamehana ary manosika ara-teknika sy ara-bola ny amin’ny fanatanterahana izany ny FMI, hoy izy.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT