Toekarena

Tahirim-bola iraisam-pirenena Manara-maso akaiky ny fitondram-panjakana


  • Sabotsy 18 Martsa 2017

Delegasionina mafonja momba ny resa-bola no nihaona tamin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier teny Mahazoarivo omaly zoma 17 martsa,

dia Atoa isany David Owen tale lefitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ho an’ny faritra Afrika, ny minisitry ny vola Gervais Rakotoarimanana, ny governoran’ny banky foiben’i Madagasikara Alain Rasolofondraibe, Mamy Rajaobelina mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena. Tonga eto Madagasikara mba hanao tomban’ezaka ny fanatanterahana ilay fampindramam-bolan’ny FMI amin’ny alalan’ny Facilité Elargie de Crédit (FEC) azo ny 31 desamba 2016 ary manara-maso akaiky ihany koa raha manaja ny fepetra rehetra i Madagasikara. Noresahana ihany koa ny momba ny orinasa Jirama, nametraka moa ny FMI fa tsy tokony hisy intsony na ahena ny tohana ara-bola omen’ny fanjakana ny Jirama, tsy tratra moa io tanjona io noho ny hain-tany : tsy ampy ny tosiky ny rano koa dia tsy maintsy namoaka volabe ny fitondram-panjakana hanampiana ny Jirama amin’ny fividianana solika hampandehanana ireo milina mpamokatra herinaratra. Teboka iray noresahana koa omaly ny momba ny Air Madagascar, izay efa naka ny Air Austral hiara-kiasa aminy. Mbola tena misavovona anefa ny trosan’ity kaompaniam-pitaterana ity ka mila dinihana ny hanilihana izany. Anton-dresaka teo amin’ny FMI sy ny praiminisitra koa omaly ny takaitra navelan’ny rivodoza Enawo. Tsapa tamin’ity teny Mahazoarivo omaly ity fa tena hentitra manome toromarika sy manara-maso izay zavatra tokony hatao sy tsy tokony hataon’ny fitondram-panjakana Malagasy ny tahirim-bola iraisam-pirenena ary dia tahaka ireny mpianatra manao enti-mody ireny mihitsy ny fahitana ireo manampahefana Malagasy. Tsara ho fantatra fa manentana ireo mpikambana ao aminy ny FMI mba hanana politika ara-toekarena sy ara-bola manosika ny fitomboan’ny harinkarena ao anatin’ny fitonian’ny vidin’entana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT