Toekarena

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo


  • Talata 07 Aprily 2020

3,8% ny fitomboana ara-toekarena novinavinaina ho an’i Afrika tamin’ity taona 2020 ity.

 

 

 

 Noho ny fisian’ny valan’aretina coronavirus anefa dia tombanana ho 1,8% monja no ho tratra. Betsaka ny asa very indrindra ho an’ireo mpisehatra amin’ny fitaterana, ny fizahantany. Ankoatr’izay dia miasa amin’ny sehatra tsy ara-dalàna ny 90% n’ny mponina aty Afrika indrindra ireo tany mahantra ka ilaina ny fiarovana ara-tsosialy. Izany rehetra izany no nahatonga ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) hijery manokana ireo firenena tena marefo sy mahantra ka hanafoana ny trosa indrindra manoloana ny areti-mandringana misy amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ohatra ny Soudan Atsimo izay hisitraka izany fanafoanana trosa izany. Andrasana ihany koa raha mba hisy fitserana an’i Madagasikara avy amin’ny FMI satria hita efa miroso mankany amin’ny krizy lalina ny firenena ary ho mafy ny akon’izao aoriana kely ao.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT