Toekarena

Tahirim-bola iraisam-pirenena Anisan'ireo hahazo fanalefahana trosa i Madagasikara


  • Alarobia 15 Aprily 2020

Nanapa-kevitra ny filan-kevim-pitantanana avy eo anivon’ny tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI ny 13 aprily teo fa hanalefaka avy hatrany ny trosana

 

 

 

 

firenena miisa 25 ka ny 19 amin’ireo dia firenena afrikanina avokoa. Toy ny mahazatra anefa dia miendrika fanampiana izany ary mifantoka kokoa amin’ny resaka ara-pahasalamana toy ny fanafody sy fitsaboana. Manalefaka trosa hatrany amin’ny 500 tapitrisa dolara izany ka tafiditra ao anatiny ny 185 tapitrisa avy amin’ny Royaume Uni sy ny 100 tapitrisa avy amin’ny Japoney. Bénin, Burkina Faso, Comores, Gambie, Guinée, Guinée-Bissau, Liberia, Madagasikara, Malawi, Mali, Mozambique, Niger, République centrafricaine, RDC, Rwanda, Sao Tomé-et-Principe, Sierra Leone, Tchad ary i Togo moa ireo firenena afrikanina. Afghanistan, Haïti, Nosy Solomonina, Népal, Tadjikistan ary i Yémen kosa ireo firenen-kafa tafiditra ao anatin’izay firenena nolazaina ho halefahan-trosa izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT