Tahina Razafinjoelina

« Tena potika ny toekarena, ovay famokarana ny fanafarana !»


  • Talata 09 Septambra 2025

5200 ar ny 1 euro. Tsy mitsahatra mitotongana ny vola Malagasy.

Tsy mitsahatra mitombo ny delestazy. Mba ajanony amin’izay re ity mahafinaritra ity fa mba jereo izay tena mahasoa. Tsy misy afa-tsy lalan-tokana no vahaolana, dia ny famokarana izay mifanohitra amin'ny fanafarana », hoy i Tahina Razafinjoelina. Notsipihiny fa isan'ny singa afarantsika betsaka ny solika sy kojakojam-piarakodia ary manimba ny volantsika. « Mba tena vahao re ny tohana, amboary ny lalana ho an'ny famokarana fa aoka tsy atao loharanon-tsena ho an'ny orin'asa vitsivitsy ka na tokony ho bitika ary ny fanamboarana dia kaofina tanteraka ny tara nefa avy eo tsy vita akory ka maika potika ny kely ananana. », hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina naneho tamim-pahintsiana fa misy fomba fiasa sy fitantanana mila ahitsy. Ara-toekarena, ny fihenan’ny sandan’ny Ariary dia vokatry ny tsy fahampian’ny famokarana anatiny, sy ny fianteherana tafahoatra amin’ny fanafarana. Ny famokarana no tokony ho vahaolana, kanefa ny fanafaran-dratsy no manjaka. Mampitombo ny fatiantoka ara-bola ny fanafarana lava, manery ny fanjakana sy ny mpandraharaha hividy vola vahiny, ary mampitombo ny trosa. Ankoatra io, solika sy kojakojam-piarakodia no isan’ny singa afarantsika betsaka, ka manimba mivantana ny volantsika. Tsy ampy ny fanamboarana lalana, ary ny misy aza vao mainka simbaina, tsy mangaraharaha ny tsenambaro-panjakana. Kaofina tanteraka ny tara, potika haingana ny fotodrafitrasa, tsy vita akory ny asa, nefa mila vola be,... Ny delestazy tsy misy farany, tsy misy vahaolana. Tsy misy fanazavana mazava, tsy misy vina tena voarefy ara-pahombiazana, fa kabary sy fanamarinan-tena no betsaka. Tsy afaka mamokatra ny orinasa, tsy afaka miasa ny mpanao asa tanana, tsy afaka mianatra ny ankizy. Fandrosoana inona tokoa no ho vanona ao anaty politika ara-toekarena miiba miorina amin’ny fanafarana fa tsy famokarana ? Fandrosoana inona no handeha ao anaty fahapotehan’ny làlana izay lalàndran’ny Firenena iainkinan’ny vidim-piainana ? Aiza no hisy Firenena handroso ao anaty rendrarendra sy seho ivelany kanefa ny angovo tsizarizary mamotika ny toekarena sy fihariana maro ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT