Toekarena

Tahina Fy’Deliko Ambasadaoron'ny Stileex-Openflex


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Tsy zoviana amintsika intsony i Tahina, ilay tovolahy nibata ny amboara Anzisha momba ny fandraharahana “Prize 2016” tany Afrika Atsimo. Randriarimanana Tahiana Heritiana no anarany feno, 24 taona izy ary manam-bady aman-janaka.

  Tompon'ny orinasa Fiombonana, izay ny famokarana fraomazy no tena nahafantarana azy. Nandritra izay fotoana fahanginana kely roa taona izay, dia niezaka ny nanatsara sy nampitombo ny vokatra izy ahafahany mivelatra kokoa. Ao anatin'izany ny fanatsarana ny fonosan'ireo vokatra sy ny famoahana vokatra hafa. Isan’izany ny fraomazy sy ny ranom-boakazo izay mitondra ny marika “Fy'Deliko”, ny tantely izay mitondra ny marika Taksa, ny sokolà, ny kaonfitiora sy ireo hanitra ho an'ny sakafo maro samihafa toy ny sakay, ny sakamalao,.... Mikaroka tokoa mba hanomezany fahafaham-po ny mpanjifa izy. Manana faniriana ny hampiditra vokatra amin'ireny toeram-pivarotana lehibe ireny ahafahany mampafantatra ny vokany izay tsy mitsahatra ny mihatsara isan'andro isan'andro. Manana vina izy fa amin'ny taona ho avy dia efa hanjifa ny vokany, izay vokatra malagasy daholo isika ka hifandrimbona asa amin'ireo mpandraharaha Malagasy. Stileex, ilay gazetin'ny aterineto tsara rindra sy kalitao dia nisafidy ny hiara-hiasa aminy satria hita  fa tena olo-mendrika tsara ho atao modely i Tahiana. Stileex moa dia mirona amin'ny fanampiana ny fivelaran'ny nomerika sy ny fandrahararana eto Madagasikara sy Afrika. Noho izany, nisafidy ny hiara hiasa ireto farany. Ho marik'izany, notoloran'ny Stileex rindram-baiko Openflex araka izay ilainy sy fanofanana manokana i Tahina mba ahafahany manatsara ny fitantanana eo anivon'ny orinasany.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT