Toekarena

Tahiana Razanamahefa “Feno 100% izao ny trano fandraisam-bahiny”


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Ela ihany izay niandrasana ny fisokafan’ny sisintany izay, hoy ny mpandraharaha misehatra eo amin’ny fizahantany sy fampiantranoana ary fisakafoana, Tahiana Razanamahefa.

 Nisy iny, hoy izy, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana hoe ho sokafana miandalana ny sisintany sy habakabak’i Madagasikara. Nanomboka ny 23 oktobra moa no nisokatra ny aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina. Nanomboka ny 6 novambra teo koa no nisokatra ny faritr’i Eoropa. Ho anay manokana dia nisy ny fiomanana volana maro hiatrehana anatin’ny fitoniana izany fisokafan’ny sisintany sy habakabak’i Madagasikara izany. Nisy ny fiofanana mikasika ny arofenitry ny fahasalamana nataon’ny mpiasa rehetra ato aminay. Mila manao arotava daholo ny mpiasa sy izay miditra ato rehetra. Tsy maintsy mihiboka 48 ora ireo mpandeha vao tonga. Tondrahana fanafody ny efitrano, ny toeram-piasana, ny entan’ireo mpandeha sy ny maro hafa. Tsy maintsy mihiboka ny mpandeha vao tonga mandra-pivaly ny fitiliana PCR nataony vao tonga teo amin’ny seranana. Hatrany amin’ny 70% ny fahavoazana nandritry ny fihibohana teo raha resaka trano fandraisam-bahiny. Ankehitriny nony nisokatra ny sisintany ka misy izay manao fihibohana 48 ora izay dia feno 100% izahay aty amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny izao. Miisa 50 eo izao no efitrano ato fa feno daholo. Tsy maharaka aza satria betsaka ny famandrihana ho an’ireo mpandeha avy any ivelany tsy maintsy manatanteraka fihibohana. Betsaka koa ireo mpampiasa vola avy any ivelany tonga eto. Tsy maintsy mametra izahay fa misy moa ny mivoaka dia misy ny tonga. Hita ho manohana ho azy ilay sehatra ihany ny fampihibohana. Zava-dehibe ny vakisiny ary izahay rehetra ato dia vita daholo. Nizotra araka ny tokony ho izy ny andro voalohany, izany hoe, ny 6 novambra teo sy ny hatreto, hoy hatrany ny tenany, mantsy ny omaly. Tonga alahady maraina ny Air France dia teo koa ny Air Madagasikara, Madagascar Airlines, hoy izy. Ankoatran’izay dia mandray foana ny Air Mauritius sy Air Austral izay fa azo lazaina ho nizotra am-pilaminana daholo hatreto. Mailo hatrany anefa izahay, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT