Toekarena

Tahan’ny fahantrana eto Madagasikara Misanda 2 tapitrisa dolara ny fanadihadiana


  • Zoma 10 Janoary 2020

Hanomboka amin’io herinandro ho avy io ny fanadihadiana hotanterahin’ny Ivontoeram-pirenena momba ny antontan’isa na ny Instat mahakasika ny fahantrana eto Madagasikara.

 

 Hamaritra ny tahan’ny mahantra eto amintsika miainga amin’ny fari-piainany io. Ho vita amin’ny taona 2021 io fanadihadiana io, ka vola hatrany amin’ny 2 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena no hanatanterahana azy. Ny fanadihadiana farany tamin’ny taona 2012, dia nilaza fa 71% ny tahan’ny mahantra eto amintsika. Ny fananana antontan’isa mazava sy tena mifanaraka amin’ny vanim-potoana dia manampy betsaka amin’ny vina sy tetikasa tian-katao mba tena hampifanarahana amin’ny zava-misy sy ny antontan’isa fa tsy mandeha an-jambany fotsiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT