Toekarena

Taham-panondranana entana avy eto Madagasikara Niakatra 31% tao anatin’ny 4 taona


  • Talata 03 Oktobra 2017

Notontosaina omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ny fivoriana an-tampony faha-6 eo

 

 amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny APE na ny fifampiraharahana eo amin’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny vondrona eoropeanina. Araka ny nambaran’ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, Chabanni Nourdine, dia nahitana tombony ny fidirana tao anatin’ity fifanarahana ity satria raha nampiditra 499 tapitrisa Euro teo izany ny taona 2012 dia tafakatra 870 tapitrisa euro kosa ny taona 2016. Izany hoe nisy fiakarany 31%. Ilana fanatsarana hatrany anefa, raha ny nambara, na dia eo aza izay tombony izay ny resaka kalitao sy fenitra ara-pahasalaman’ny entana aondrana, hoy kosa ny masoivoho eoropeanina, Antonio Benedito Sanchez, fa antoky ny fitohizan’ny fisokafan’ny lalam-barotra eo amin’ny 2 tonta izany. Nanampian’ny minisitra izany ny filazana fa rehefa misokatra amintsika ny tsena eoropeanina dia misokatra ho azy izao tontolo izao. 45% amin’ireo entana amidy eny an-tsena amin’izao fotoana izao no fanondrantsika raha toa ka 20% kosa no avy any ivelany, raha ny nambaran’ny minisitra hatrany. Niara-nivory tetsy amin’ny Carlton koa moa ireo firenena mpikambana eo anivon’ny AFOA na ilay fifanarahana ara-barotra eo amin’i Madagasikara, Maorisy, Seisela sy Zimbaboe ary Kaomoro.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT