Toekarena

Synodam-paritany FJKM Boina Vaovao Nahazo fiofanana avy amin’ny CNaPS


  • Talata 13 Martsa 2018

Ny synodam-paritany FJKM Boina vaovao no synoda faha-14 nanatanterahan’ny foibe FJKM sy ny CNaPS foibe fiofanana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy. Tanjona iraisana ny tsy hahavery zo ny mpiasa na ny eo anivon’ny fiangonana na ny eny anivon’ny sekolim-pinoana, ka nampahafantarina ireo mpizaika tany Mahajanga, nandritra ny roa andro, ny adidy aman’andraikitry ny mpampiasa sy ny zon’ny mpiasam-piangonana.

 

Mahatratra 246 ny isan’ny fiangonana ao anatin’ny Synodam-paritany FJKM Boina vaovao. Miisa 77 ny fitandremana ary 8 ny sekoly. Miisa 8 ihany koa ny toeram-pitsaboana. Samy mampiasa olona avokoa ireo toeram-piasana avy amin’ny sehatra samihafa ireo ka ny CNaPS no miandraikitra ny fiahiana ara-tsosialin’izy ireo. Nahazo tombony tamin’ny fiofanana ny mpitandrina, ny katekista, ny mpampianatra sy mpitsabo ao anatin’ny Synodam-paritany Boina vaovao. Efa saika mpikambana CNaPS avokoa ny eo anivon’ny fiangonana, raha toa ka misedra olana kosa ny sekoly amin’ny fanefanany latsakemboka eo anivon’ny CNaPS noho ny hakelin’ny saram-pianarana, hoy ny mpitandrina Rakotomalala Jean Olivier prézidà synodaly Boina Vaovao. Vahaolana hafa no tsy maintsy karohina, hoy hatrany ny filohan’ny synoda.Nivoitra nandritra ny atrikasa ireo karazana fanampiana omen’ny CNaPS ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany, izay marihina fa tsy maintsy anaovana fangatahana avokoa miaraka amin’ireo antontan-taratasy havaozina isan-taona mba tsy hampiatona ny zo. Distrika fito moa no mandrafitra ny synoda Boina Vaovao manomboka any Soalala, Mitsinjo, Mahajanga Voalohany sy Faharoa, Marovoay, Ambato-Boeny, Tsaratanàna ary Maevatanàna.

 

RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT