Toekarena

SPAT Port Toamasina Navaozina ilay trano lehibe fitahirizana varimbazaha


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Anisan'ny fotodrafitrasa iandraiketan’ny orinasam-panjakana mahaleotena mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina na SPAT Port Toamasina ny fanarenana ny trano lehibe (SILO) fitahirizana varimbazaha sy ny potika soja, ilaina amin’ny sakafom-biby.

 

 

 

 Manodidina ny 25 000 taonina eo ho eo ireo vokatra heverina ho azo tehirizina ao amin'ity tranobe vao navaozina ity. Tranobe vita amin’ny simenitra milaro vatokely sy vy ary vy fotsy. Mandeha sy baikoina amin’ny informatika avokoa moa ny fitantanana sy fikirakirana ny fitaovana rehetra ao anatin'ity SILO lehibe ity. Ankoatra ny vina fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina mba ho afaka mandray sambo vaventy, ity foto-drafitrasa ity dia mifanitsy tanteraka amin'ny politikan'ny fitondrana momba ny ady amin'ny tsy fahampiana sakafo.

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT