Toekarena

Sosialy sy toekaren’i Madagasikara Mbola tsy mandeha amin’izay laoniny


  • Talata 07 Janoary 2020

Tapitra ihany ny taona 2019 ary efa manitsaka ny taona vaovao 2020 ny Malagasy. Feno herintaona ihany koa ny niasan’ny fitondrana ankehitriny.

 

 

Hatreto aloha dia mbola miaina anaty nofinofy sy fampanantenana hatrany i Madagasikara. Isaky ny manao fanambarana ny tompon’andraikitra dia ohatry ny maheno teny tamin’ny fotoanan’ny propagandy hatrany. Ampiainana ao anatin’ny zavatra mahafinaritra ny sofina sy jeren’ny maso ny rehetra. Aorian’izay anefa dia miverina indray ny adin-tsaina. Misy aza no efa kivy sahady ny hanalana ity volana janoary lava be ity. Niezaka mba nifety mantsy ary tsy maintsy mandany satria indray mandeha ao anatin’ny taona ary ifalifaliana miaraka amin’ny fianakaviana ny famaranana ny taona haindrasana ny taona vaovao. Amin’izao fotoana izao ihany koa dia efa maro sahady no efa miferinaina amin’izay tsy maintsy hanaovana fitsidihina ireo ray aman-dreny hanomezana solom-bodiakoho. Manginy fotsiny ny fifampiarahabana maro isankarazany izay tsy maintsy hanomanana vola. Tena hita sempotra ny Malagasy amin’ny lafiny ara-tsosialy. Mahakasika ny toekarena indray dia efa mananontanina sy mizotra isan’andro mankany amin’ny fahalafosam-piainana ny rehetra. Manomboka miaka-bidy tsikelikely ny entana ilaina noho ny fampiakarana hetra. Tsy mety mahazo aina ny Ariary ary ahiana sahady ho hisy fiantraikany amin’ny toekarena indrindra ny amin’ny resaka solika ny disadisan’i Iran sy Etazonia. Toekarena marefo ny an’i Madagasikara ary tonga dia misy akony avy hatrany raha vao misy tsy fetezana eo amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny fitondram-panjakana na ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny zavatra maika tena mahapotitra ny vahoaka aloha amin’izao fotoana izao no tokony himatimatesana satria tena efa halohalika ny ranom-bary. Miaina anaty fahantrana ny Malagasy!

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT