Toekarena

Sosialy sy toekarena “Avoty ny vahoaka sy ny mpandrahara”


  • Zoma 29 Mey 2020

Tafiakatra 518 tapitrisa dolara no azo avy amin’ny mpamatsy vola, izay tokony hangarahara ary mila jerena ny toekarena sy ny sosialy satria fantatry ny vahoaka fa misy vola ao.

 

 

 

 

 Tsy mangataka ny tsiambaratelom-panjakana izahay, fa ny fitantanana misy an’ity valanaretina ity no atao mangarahara, hoy i Marc Ravalomanana. Misy kaominina 18 izay tokony mba miomana, atao ny fampiofanana ireo olona ho any, ny fitaovana,… Nangataka izao ny Vondron’ny mpandraharaha mba hanalefahana ny vesatra kanefa nolavina. Ho aiza ireo? Ny mpandraharaha mety manana ketrika be fa ahoana ny mpiasa izay vahoaka madinika? Any Afrika Atsimo, ny 85% mampandroso an’izy ireo dia avy amin’ny mpandraharaha. Ireo ny saovaly taingenana saingy ny aty amintsika tena vesarana be izy ireo. Tokony ezahana sy jerena ireo mpandraharaha. Na misy mpandraharaha tena miady be aza dia mifanantona, fa tsy toy ny ataon’ny mpanao politika hoe aleo ataonay irery. Mangataka amin’ny fanahy masina mba tena hahita ny lalan-kizorana isika, hoy i Marc Ravalomanana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT