Toekarena

« Sommet de Versailles » tany Frantsa Soa fianatra hisintonana mpampiasa vola


  • Sabotsy 27 Janoary 2018

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny amin’ny fampirisihina ireo vahiny hampiasa vola any aminy. Rehefa avy nitsidika tany Onnaing, foiben`ny orinasa Toyota any Frantsa izy dia nanomboka nandray tsikelikely ireo mpanam-bola maneran-tany amin`ny sehatra maro isan-karazany tao amin`ny Chateau de Versailles.

 

 Nandresy lahatra ireo mpanefoefo ireo izy mba hampiasa vola ao Frantsa. Tanjon`ity filoha ity moa ny hampiakatra ny famoronan`asa any an-toerana ary izany ihany koa no antony nanaovany ilay fihaonana an-tampony “choose France” na hoe Fidio i Frantsa tany an-toerana. 140 ny mpanam-bola sy tompona orinasa nasainy manokana tamin`io. Azo alain-tahaka tsara izao tetikady ampiasain`i Frantsa izao raha eto Madagasikara saingy olana eto amintsika ny tsy fahaiza-manaon`ny mpitondra ankehitriny. Hita taratra mantsy fa malaina ny mpanam-bola hampiasa ny volany eto ka mila mahay mandresy lahatra azy ireo tsara ny mpitondra. Tsy izany mantsy no zava-miseho eto fa mainka zavatra mampihemotra no ataon’ny mpitondra toy ny tsy fandraisana andraikitra ny amin’ny tsy filaminana sy ny tsy fahamatorana ny amin’ny lalàna avoaka tahaka ireny momba ny Z.E.S ireny.  

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT