Toekarena

Solitany eto Madagasikara Azo avadika harena be


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Anisan’ny firenena manana harena be tsy hita lany i Madagasikara, na ankibon’ny tany io na any ambony. Iray amin'ireny ny solitany izay mivadika ho solika moa avy eo.

 

Manana Blocs pétroliers 100 eny amin’ny ranomasina isika ka 40 amin’ireo dia hanaovana « appel d’offres » amin’ity taona 2018 ity. Amin’izao fotoana hanoratana izao (09/02/2018) dia 15 ireo orinasa mpitrandraka solitany miara-miasa amin’ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny OMNIS (Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques) ka ny 3 dia fifanarahana amin’ny fitrandrahana an-dranomasina ary ny 12 dia an-tanety. Ankoatr’izay, Tsimiroro dia mamokatra menaka mavesatra eo amin’ny 3 miliara barila eo ho eo ary heverina fa hamokatra 100.000 barils isan’andro izy io ao anatin’ny 20 taona, misy solitany maivana sy etona natoraly ihany koa anefa ao aminy. Bemolanga indray dia heverina fa misy menaka tena mavesatra ary eo amin’ny 16,6 miliara barila eo no ho eo no vokariny ary afaka  mamokatra 180.000 barila isan’andro mandritra ny 30 taona eo ho eo.

 

Hiteraka harena

Miteraka  harena be ho antsika ny fitrandrahana an’ireo raha mahay manararaotra tsara isika, saingy mitarazoka izany noho ny krizy mifandimby eto amin’ny firenena. Misy ohatra ny fizahan-taratra efa atao ary efa misy mpamatsy vola liana saingy noho ny savorovoro  noho ny krizy politika dia tsy mitohy ny asa. 60.23 dolara na 192 393 Ariary (1dolara=3194 Ar) ny vidin’ny barila amin’ny tsena iraisam-pirenena izany ka raha ireo famokarana ireo no kajiana dia hanankarena mihitsy Madagasikara satria hihena ny fahasahiranana ara-bola noho ny fidiran’ny vola vahiny eto. Tombony be ho antsika araka izany ny fitrandrahana atao ary mbola eo ihany koa ny vola ampidirin’ny faikan’ny solika (résidu) ao Bemolanga izay tsy inona fa tara (goudron) tena ilain’i Madagasikara amin’ny fanamboaran-dalana. Mbola maro koa anefa ny toerana afaka trandrahana tsara toa an’i Maintirano, Morafenobe, ny any amin’ny faritra atsimo, ny any anaty ranomasina…  saingy olana ny lalana ka tsara raha manana foto-drafitr’asa maty paika isika. Tombony ho an’ny firenena ihany koa ny fidinan’ny vidin’ny solika rehefa mamokatra isika ary tsy maintsy hipaka amin’ny sarambabem-bahoaka izany satria tombanana fa hihena amin’ny antsasany ny vidin’ny litatry ny solika ary tsy maintsy hidina koa raha ny lojika ny saran-dalana ary hihena mihitsy ny tahan’ny fisondrotan’ny vidim-piainana ankapobeny (inflation)

 

Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT