Toekarena

Solika Tapitra ny fe-potoana famerana ny vidiny nifanarahana


  • Alakamisy 20 Jolay 2017

Tsy manana olana loatra amin’ny fampiasana ny vola vaovao 20.000 ariary ireo mpandraharaha eo anivon’ny famatsiana solika, hoy ny loholona Jean Martin Rakotozafy.

Tsy lavina kosa ny fahasahiranana hianjady amin’ireo mpivarotra madinika sy tantsaha eny amin’ny tontolo ambanivohitra manoloana io ravim-bola vaventy io. Hitarika fandaniam-bola hafa indray mantsy ny fikarohana madinika isaky ny mividy zavatra ireo mpanjifa, araka ny fanampim-panazavany. Tsy nampihetsika firy ny vidin-tsolika eto Madagasikara ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam--pirenena sy ny sandan’ny vola dolara amerikanina, hoy ny filohan’ny GPGLSS (Groupement Professionnel des Gérants Libres des Stations Services) Jean Martin Rakotozafy. Misy hatrany rahateo ny marimaritra iraisana eo amin’ny fanjakana sy ireo kaompanian-tsolika tsy hampiakatra ny vidiny. Ity farany izay mbola manan-trosa amin’ny fitondrana Malagasy. Nifarana tamin’ny volana jona 2017 ihany koa anefa ny fe-potoana famerana ny vidin’ny lasantsy sy gazoala. Tsy maintsy hiroso amin’ny fifanarahana vaovao indray ny roa tonta hijerena ny fanitsiana tokony hatao, araka ny fanamarihany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT