Toekarena

Solika mavesatra Tena efa manomboka mivarotra ny Madagascar oil


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Hanomboka hamatsy solika ireo orinasa indostrialy Malagasy ny Orinasa Madagascar oil SA, araka ny lahatsoratra navoakan’ny fampahalalam-baovao ara-toekarena Agence Ecofin ny fiandohan’ity herinandro ity.

Misy aza ny vaovao milaza fa efa nivarotra ny voaloham-bokatra tamin’ireo indostria goavana misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana, lamba ary simenitra atsy amin’ny faritra Vakinakaratra. Ny volana jolay moa, nisy ny karazana fampitandremana nataon’ny Fanjakana tamin’io orinasa io hanafainganany ny famokarana mba hamadihana ho vola ny tahirina solika mavesatr’I Madagasikara ao Tsimiroro. Ny 7 oktobra teo, nisy fifanarahana maro voasonia momba ny famatsiana solika mavesatra ho an’ny orinasa ato anatiny, izay mahafeno ny fepetra takian’ny Fanjakana sy ny orinasa. Raha vantany vao mihatra, ahafahan’ireo orinasa mampihena ny faktioran’angovo hatrany amin’ny 25% ny fifanarahana amin’ny Madagascar oil. Mahatratra hatrany amin’ny 1,7 miliara barila ny tomban’ny solika mavesatra azo tratrandrahana ao Tsimiroro, izay ahafahana mampihena ny fatiantoka ara-angovo sy hampiakarana ny toekarem-pirenena, hoy ny manam-pahaizana. Mora kokoa noho ny menaka mavesatra hafarana avy any ivelany ny vokatra avy ao Tsimiroro. 400 barila eo isan’andro amin’izao fotoana ny orinasa mpitrandraka azy, afaka miakatra 6 000 barila hatramin’ny 10 000 barila isanandro anefa izany rehefa betsaka ny filan’ny mpanjifa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT